Voatazona eny anivon’ny zandary ny mpamily ilay karandalana nitera-doza tao amin’ny lalana mampitohy an’i Betioky sy Toliara, afakomaly. Nivadika tampoka vokatry ny fandehanana mafy io fiara io, teo Sevalava Besely, distrikan’i Betioky. Maty tsy tra-drano ny mpanampin’ny mpamily sy ny mpandeha iray. Ity farany izay voatsindrin’ny fiara. Olona telo hafa naratra.
Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahalasibatra mpitondra moto teo Ambohimahitsy, afakomaly hariva. Vokatry ny fianjerana mafy, tsy nahatsiaro tena teo no ho eo ilay lehilahy mpitondra moto. Niezahan’ireo nanatri-maso nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana ilay niharan-doza.
Raim-pianakaviana iray maty voaletra antsy nataon’andiana tovolahy maromaro tao Antsakamamy, kaominina Ankisatra, distrikan’i Maintirano, ny 28 mey teo. Naratra mafy koa ny zanaka lahin’io maty novonoina io. Nodoran’ireo tsy mataho-tody ny trano fonenany ka nitsoaka taorian’ny habibiana. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny zandarimaria miasa ao an-toerana.
Raikitra ny fikasihan-tanana teo amin’ny mpianatra sy ny “chef Mention Gestion” iray tao amin’ny Oniversite, omaly maraina. Mitaky ny hanesorana io lehibeny io ireo mpianatra. Tsy nahazaka ny fihetsika nasehon’ireo mpianatra anefa ity farany ka nikasi-tanana. Manambana hanao fanambarana iraisana mitaky ny hanesorana ilay lehiben’ny Mention Gestion ireo mpianatra.