Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny amin’ny lalam-baovao mihazo ny Rocade Iarivo, omaly. Lehilahy iray maty voahitsaky ny kamiao teo amin’ny lohany.
Maty teo no ho eo, lehilahy iray voahitsaky ny kamiao lehibe iray teny amin’ny lalam-baovao Rocade Iarivo, omaly tamin’ny 3 ora tolakandro. Kamiao mpitatitra fako miasa ao an-dRenivohitra avy any amin’ny mikoja. Nijanona teo anatin’ny arabe anefa ny lehilahy iray. Nialoalo tsy nihetsika izy rehefa nahatazana ny fiarabe nandalo. Nanambana hitsoraka tamin’ny arabe ilay lehilahy saingy nanao ho sahy tsy ho sahy. Taitra ny mpamily ny fiara. Niezaka niala ilay mpandeha an-tongotra ity farany. Poa toy izay, voahitsaka teo amin’ny lohany ilay lehilahy. Nandrika ny ra. Maty teo no ho eo izy. Nidina ifotony nandamina ny fifamoivoizana sy nandray an-tanana ny fanadihadiana ity raharaha ity ny polisim-pirenena.
Fiara roa nifandona
Niala moto, fiara iray nifatratra tamin’ny fiara hafa nifanoha-dalana taminy, tao Antsirabe Renivohitra, omaly maraina. “Nisisika tampoka tao anelanelan’ny fiara roa hifanena ilay moto”, araka ny fanazavan’ny polisy eo anivon’ny kaomisaria Central ao an-toerana. Tsy nahatana ny familiana ny fiara iray ka nidona avy hatrany tamin’ny fiara hafa. Vokatry ny fifandonana, niharan-doza koa ny cyclo-pousse taorian’ny fiara nitera-doza. Tsy nisy aina nafoy saingy naratra ny ramatoa iray nitondra fiara niampy ilay mpitondra moto sy cyclo-pousse. Nanokatra ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.