16 amin’ireo mpilalao 25 nantsoina handrafitra ny Barea de Madagascar izao no efa tonga any Afrika Atsimo, raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, omaly. Nisy ny fiovana ka nigadona omaly, tany Johannesburg, i Rayan Raveloson, kapitenin’ny Barea sy i Sonny Laiton, Malagasy mpiandry harato. Efa nanaraka fanazarantena, afakomaly, kosa i Ibrahim Amada sy i Clement Couturier.
Tsiahivina fa efa afaka enina andro sisa, hiatrika ny lalao izay hifanandrinana amin’ny Nosy rahavavy Comores i Madagasikara. Fihaonana izay hatao ao amin’ny kianjan’ny FNB Stadium Johannesburg, ny 7 jona ho avy izao. Tsara marihina fa tafiditra amin’ny andro fahatelon’ny ady tapakilan’ny “Mondial 2026”, hatao any Etazonia, ho an’ny vondrona “I” aty Afrika ity fifanandrinan’ny roa tonta ity. Aorian’ny 7 mey, hifandona amin’i Mali ny ekipa nasionaly malagasy, ny 11 jona, any an-toerana ihany.
Tsara ny mampahatsiahy fa tafita avy hatrany amin’ny amboara maneran-tany izay mahazo voalohany isam-bondrona ary hanao lalao sakana kosa ireo firenena sivy mahazo laharana faharoa tsara indrindra.
F.R