CT Motors : efa eto ny Tank 500

Efa eto Madagasikara ny Tank 500 an’ny Great Wall Motors (GWM). Efa azo jifaina ao amin’ny CT Motors ity SUV izay misy karazany roa ity. Ny voalohany izay manana moteur thermique 3l V6 twin turbo, 350 chevaux. Ny faharoa manana moteur hybride, itambaran’ny moteur thermique 2l 4 cylindres sy moteur électrique 78 kW, manana tanjaka 350 chevaux. Tanjona amin’ny moteur hybride, ankehitriny, ny fanafoanana ny CO2 izay manimba ny tontolo iainana sy hampihenana ny fampiasana solika. Mampiavaka ity SUV ity manokana ny tanjany, ny hatsarany, ny habeny izay mahazaka olona fito. Nanome tolotra vaovao ho an’ny mpanjifa ihany koa ny CT Motors amin’ny fanomezana fiantohana dimy taona na 150 000 km ho an’izay rehetra mividy fiara ao aminy. Tolotra izay mampitombo hatrany ny fahatokisan’ny mpanjifa amin’ny kalitaon’ny fiara atolony.

Henintsoa H.

Partager sur: