Anisan’ny nahazo famatsiana ara-bola, amin’ny alalan’ ny tetikasa « Rano Maharitra sy Dio Sera » ny faritr’i Toamasina. Mitentina 10 tapitrisa dolara izany, izay entina miasa mandritra ny dimy taona. « Tena ilaina ny famatsiana toy izao ho fanatsarana ny lafiny fahadiovana sy fidiovana, mba hitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka », hoy ny ben’ ny Tanànan’i Toamasina, Rakotonirina Nantenaina, nandritra ny fanombohana ity tetikasa ity, afakomaly. « Mbola maro ireo mponina manao maloto eny amoron-dranomasina sy amin’ireo toerana tsy tokony hanaovana izany any amin’ iny faritr’i Toamasina iny noho ny tsy fananana toeram-pivoahana » hoy hatrany izy. Nambarany fa miteraka aretina isan-karazany izany toy ny fièvre tiphoide. Ankoatra ny fako, anisan’ny manahirana ny manala ny maloton’ny olona, mandritra ny fanadiovana ny lakandranon’i Pangalanina. Raha manadio lakandrano ihany koa ny kaominina, milatsaka any anaty tatatra ny maloto avy amin’ny toeram-pivoahan’ny olona sy ny orinasa.
Tsy fananana toeram-pivoahana noho ny toe-tsaina
Misy amin’ireo olona no mahavidy moto sy finday raitra nefa tsy mahavita manamboatra toeram-pivoahana, raha ny fanazavany hatrany. Nilaza izy fa tsy noho ny fahantrana sy ny tsy fananana fa manampy betsaka izany ny toe-tsain’ny rehetra. “Ilaina be ny fanovana toe-tsaina eo amin’ny mponina, mba hahatonga fahasalamana sy hahafahana miasa”, hoy izy. Miteraka tsy fahasalamana ny loto ary lasa vesatra ho an’ny toekarena ny tsy fahasalamana.
Efa manomana ny fitsipiky ny fahadiovana ihany koa izy ireo amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy voavolavola tsara anefa izany vao azo ampiharina.
Mino