« Forum de l’orientation et de l’employabilité »: tohana ho matihanina amin’ny sehatry ny asa

Tanterahina omaly sy anio ny hetsika « Forum de l’orientation et de l’employabilité », andiany fahavalo. Izay karakarain’ny fandaharanasa Se­same, etsy amin’ny foiben’izy ireo, Ambatoroka. « Fotoana hifampizarana sy hanampian’ny orinasa ireo rehetra sahirana amin’ny fitadiavana sy fidirana amin’ny tontolon’ny asa izy io», hoy Rakotoarivony Daniel, Chargé de l’orientation scolaire et professionnelle eo anivon’ity fandaharanasa ity. Tanjona ny hanomana ireo vondron’olona tiliana ho lasa matihanina eo anivon’ny asa. Ezahina ahena ihany koa ny tahan’ny tsy fananan’asa eto an-toerana. Ahitana lohahevitra maro sy atrikasa ary fitadiavana asa maro samihafa eny an-toerana mandritra ny roa andro.
Mampiavaka ny hetsika ny fandraisan’ny mpianatra eo anivon’ny Sesame amin’ny fampirantiana. Mampa­hafan­tatra ny tolotra misy eo amin’izy ireo. Ho an’ny anio, hisy ny atrikasa ho an’ny ray aman-dreny, hamelabelarana ny an­jara andraikitr’izy ireo manoloana ny safidy amin’ny asan-janany ho avy. Manomboka dieny mbola kely ny fisafidiana ny asa tiana hatao rehefa any aoriana. “Miainga amin’ny fahaiza-manao sy ny maha izy azy ilay ankizy ny fisafidianana izany”, hoy hatrany izy. Ahitana tranoheva maherin’ny 65 eny an-toerana. Hita ao ny lafin’ny informatika, fizahantany, fandraisam-bahiny, fandraharahana…

Mino

Partager sur: