Hanatitra voka-pifidianana : sefo fokontany maty tampoka teny an-dalana

Namoy ny ainy teny an-dalana, raha handeha hanatitra voka-pifidianana ny sefo fokontany iray, omaly. Voalaza fa matin’ny aretim-po izy.

Nijanona tampoka ny fitempon’ny fony, na­moy ny ainy ny sefo fokontany ao  Ampatakana, kaominina Manampaneva, distrikan’ i Mandritsara, omaly. Namita ny asany nandritra ny fotoam-pifidianana izy. Hanatitra ny voka-pifidianana io lehibena fokontany io taorian’izay. Nahatsiaro ho azon’ny tsy fahasalamana izy, omaly. Nitaraina ho nararirary vavony, araka ny nambaran’ireo mpiara-miasa niara-dia taminy. Nahare tsy fahatomombanana loatra tao amin’ny faritry ny tratrany koa io sefo fokontany io. Najanony, noho izany, ny vatsy nokasainy entina mandritra ny fanaterana ilay voka-pifidianana. “Vary fotsy io no nentiny io”, araka ny loharanom-baovao voaray avy ao Mandritsara.

Nitambotsitra tampoka…

Naka aina kely, nitodi-doha hiverin-dalana hamonjy ny trano fonenany ity tomponandraikitra eo anivon’ny fokontany ity. Nipetraka kely tamin’ny sisin-dalana izy mba hamerina aina ahafahana mody. Tampoka, nitambotsitra tampoka io raim-pianakaviana io. Nitolefika ny lohany ary nijanona avy hatrany ny fitempon’ny fony minitra vitsy taorian’izay. Tsy afa-nialana nenina intsony izy satria tapitra aina teo no ho eo. Tonga nizaha ny vatana mangatsiakan’io sefo fokontany io ny mpitsabo. Voamarina fa fijanonan’ny fo tampoka no nahafaty azy. Natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’izay.

Tsiferana R.

Partager sur: