INDRAY MIJERY

Tsy mety midina ny vidin’ny tongolobe sy ny tongolo lay eny an-tsena. 6 500 Ar ny kilaon’iry voalohany ary 8 000 Ar kosa ho an’itsy farany. Raha hividy amin’ny toko indray, tongolobe roa vidiana 1 000 Ar ary 1 000 Ar ka hatramin’ny 2 000 Ar ny tongolo lay iray maina tsara. Akora fampiasan’ ny mpahandro sakafo ireo ka ahena fotsiny ny fatrany arotsaka mihoatra amin’ny teo aloha.

Maharitra adiny iray sy sasany hatramin’ny ora roa ny faharetan’ny fandidiana vehivavy iray tratry ny aretina mamany lava. Olona enina no mifarimbona manao izany anatin’ny toeram-pandidiana. Malagasy avokoa ireo mandidy ao amin’ny Sainte fleur, amin’izao fotoana izao.

Sekoly dimy eto Androy no nahazo fitaovana momba ny rano, fidiovana sy fanadiovana. Ohatra amin’izany ny lavapiringa vaovao, fantsakana, fitaovana fanasan-tanana. Nisy koa ny fiofanana momba ny tontolo iainana ho an’ny mpianatra sy mpampianatra, vokatry ny fanohanan’ny Unicef. Anisan’izany ny EPP Sihanamaro Androy.

Partager sur: