Ao anatin’ny fotoana famerenana faramparany ireo lesona ny mpianatra mialoha ny hiatrehina ny fanadinana. Tafiditra amin’izany ny torohevitra mahomby omen’ny mpampianatra hisian’ny fifantohan-tsaina.
Iray volana katroka mialoha ny hifaranan’ny taom-pianarana isika izao. Efa miomana amin’ny fiatrehana ireo karazana fanadinana ara-panjakana sy fifindrana kilasy ny mpianatra rehetra. Samy manao ny ezaka faramparany amin’ny famerenan-desona sy fifantohana amin’ny fiatrehana izany fanadinana izany izy ireo.
Ifanotofana ny toerana fanaovana famerenana amin’izao iray volana mialoha ny fanadinana izao. Ireo taranja manano sarotra ny mpianatra no tena atao amin’ireny, toy ny taranja siantifika sy ireo lesona mila tadidiana sy averimberina. Misy mianatra hatramin’ny sabotsy sy alahady mihitsy manao famerenana.
Ao anatin’ny fikirizana tanteraka ireo mpianatra ka tsara ny hanohanan’ny ray aman-dreny azy ireo na ara-moraly na ara-pitaovana. Fampaherezana sy toromarika am-pitiavana no ilain’izy ireo amin’izao, hoy ny mpampianatra.
Ny fifohazana maraina no mahomby kokoa raha hanao famerenana satria tony ny saina amin’iny. Tsy ilaina intsony ny fiaretan-tory na fahavizanan-tsaina be loatra izay mety hitarika amin’ny tsy fifantohana indray.
Mila mitandrina ihany koa amin’ny fahasalamana mba tsy harary amin’ny fotoan’ny fanadinana, izay hiteraka tsy fahafahana hiatrika izany, na hampatsizarizary ny fanatanterahana ny adina. Mianatra mifehy ny tahotra sy ny tebiteby dieny izao mba tsy hahangoly ny saina mandritra ny fanatanterahana ireo karazana adina. Sarotra amin’ny mpianatra ny mifehy io fitoniaina io, kanefa tena miantoka betsaka ny fifantohana izany, hoy hatrany ny mpampianatra.
Ialana ireo fakam-panahy rehetra mety hanelingelina amin’ ny fanatanterahana ny fanadinana indrindra ao anatin’izao iray volana mialoha izao. Mitaky ezaka amin’ny ray aman-dreny sy ny manodidina azy ireo mpiadina hananany ny herijika hiatrika izany.
Tatiana A