« Iray volan’ny teny malagasy » : hisy fifaninanana fahaiza-manoratra

Nosokafana, omaly, teny amin’ny Ivokolo Analakely ny fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Nandritra ny lahateny notanterahin-dRasata Rafaravavitafika, mi­nisitry ny Serasera sy ny kolontsaina mpisolo toerana no nahafantarana fa hisy ny fifaninanana fahaiza-manoratra teny malagasy amin’ity fankalazana ity. Tafiditra ao anatin’izany ny fanoratana tononkalo sy tantara foronina ary ny tantara filalao any amin’ny Radio. Hahazo toerana ao anatin’ny Vaovaon’ny Radio sy Televizionam-pirenena ihany koa ny fanomezan-kasina ny teny malagasy amin’ny alalan’ny fampianarana, fanitsiana ny diso, fampahafantarana dikan-teny, sns.
Tafa fohy natao tamin’ny Profesora Ranaivoson Jean­not Fils no nanazavany fa tokony ampianarina amin’ny teny malagasy ny mpianatra. Izany hoe, ny teny malagasy no teny hoenti-mampianatra, mampita fahalalana. Amin’ izay, ho mora ny fifandraisan’ny mpampianatra sy ny mpianatra, satria, samy mahay io teny io izy ireo. Raha ny fanazavan’ity mpikaroka ity hatrany, tranga fahita matetika ny mpampianatra tsy mahafehy tsara akory ny teny frantsay, kanefa, io no teny hoenti-mampita fahalalana any amin’ny mpianatra.
… Lamina voajanahary rahateo ny : « Malagasy beazina amin’ny teny malagasy ». Ny ankoatra izay, hosoka sy fitaka hoenti-mamotika ny Malagasy sy ny taranany!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: