Mahantra fisainana

 

Vita izay ny resa-pifidianana, hivalona ny herinandro. Ny vokatra sy ny ho fiantraikan’izany amin’ny politika no sisa andrasana. Iaraha-mahalala rahateo fa misy ny faritra izay manomboka mihetsiketsika, manohitra ny heve­rin’izy ireo fa tsy rariny. Nisy ny nandoro biraom-panjakana. Maro ny efa mimenomenona sy mitady hirika na ny mpanohitra na ny mpanohana fitondrana.
Mamofompofona korontana, hoy ny manana fijery miiba. Taratry ny maha demokratika anefa, hoy ny mpijery miabo. Malalaka ny fanehoan-kevitra eto Madagasikara. Nisy ny nisafidy ny tsy nifidy. Nisy ny nisafidy ny nandatsa-bato. Iaraha-mizaka sy manaiky anefa ny vokany, ka tsy tokony hisy ny hanao volo mpanoha-randrana.
Fomba fiteny malagasy, mifono fahendrena ny hoe: ny maharesy tsy hobiana, ny resy tsy hakoraina. Fomba fisainana nentim-paharazana izay tsy hita ny naharatsy azy. Nampirindra ny fiarahamonina, indrindra anaty vanim-potoana mahamay tahaka izao. Ny hisavorovoroan-kilantoana, hoy ny Ntaolo. Taratry ny fahasamihafana izay fototry ny fampandrosoana rahateo. Ny fomba fisainana samy manana ny azy no mitambatra ho angovo iombonana ho fanoitra hialana amin’ity fampahantrana faobe ity.
Olana ho an’ny vahoaka malagasy rahateo ny fanaovana mpamosavy malemy. Mifamono an-toerana sy faly mahita ny fahavoazan’ny hafa. Raha ny firaisankina no hery hatrizay, ny samy mandeha, samy mitady sisa no mba hain-dRamalagasy ankehitriny. Mifamotika an-toerana sy mifampitsentsitra arakaraka ny fahafahana manao izany.
Tsy ny sosialy sy ny toekarena fa hatramin’ny fanaovana politika no efa lo, ilana fandinihana lalina. Raha fehezina, mahantra fomba fisaina ny ankamaroan’ny olona. Mila miova tsikelikely, mamaha ny fatorana tsimoramora. Tsy mba an-dohalika intsony fa efa tena an-tendakely ny fahavoazana.

r.r

Partager sur: