Oniversiten’Antsiranana: nahazo trano fonenana manara-penitra ny mpianatra

Nankasitraka ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny mpianatry ny oniversiten’ Antsira­nana tamin’ny fahavitan’ny trano fonenana ho azy ireo. Natao ho fanampiana ny efa misy ao an-toerana izany.
Trano misy rihana iray, R+1, mirefy 993 m2, ahitana efitrano 80, ary mahazaka mpianatra 160 ny fotodrafitrasa. Misy toerana natokana handrahoana ihany koa.
Mitovy tanteraka amin’ireo trano fonenan’ny mpianatra naorina any amin’ireo oniversite hafa ity nanampiana ny efa misy ao Antsiranana ity. Efa vonona ny fampitaovana rehetra ao anatiny ary efa misy jiro sy rano.
Tafiditra indrindra ao anatin’ny Andry voalohany iorenan’ny fitantanana ny firenena napetraky ny fanjakana rahateo ny fampandrosoana ny maha olona sy ny fanaovana laharam-pahamehana ny lafiny sosialy. Eo koa ny fanatsarana hatrany ny tontolon’ny fampianarana ambaratonga ambony izay anaovana ezaka hatrany.
Tanjona ny hampirisika ny tanora malagasy hanovo fahalalana hatrany ary hisitraka izany amin’ny toerana mendrika. Tafiditra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana tanterahin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, entina hanatsarana ny fianaran’ireo mpianatra ihany koa izao. Miisa 12 ireo toerana misitraka trano fonenan’ny mpianatra vaovao manerana ny Nosy tato ho ato ary natao manara-penitra avokoa izany.

Tatiana A

Partager sur: