Ping pong-Afrika : Malagasy roa anatin’ny “Top 20”

Nivoaka afakomaly teo ny filaharan’ireo mpilalao 20 tsara indrindra aty Afrika, taranja tenisy ambony latabatra Ping pong. Ho an’ny sokajy lehilahy, nahitana Malagasy mpilalao roa. Eo amin’ny laharana faha-11 no misy an-dRako­toarimanana Fabio raha faha-20 kosa Razafinarivo Antoine.
Nijanona eo amin’ny faha-11, araka izany, i Fabio, aty amin’ny kaontinanta Afrikanina raha toa ka niakatra ho faha-20 i Antoine. Tsara ny mampahatsiahy fa i Fabio no solontenan’i Madagasikara, amin’ity taranja ity, mandritra ny “Lalao Olympika 2024”, izay hotanterahina any Paris, ny volana jolay ho avy izao. Ity Malagasy mpilalao ity, efa tompondakan’i Afrika Atsinanana nandritra ity taom-pilalaovana ity raha toa ka faharoa tamin’izany Razafinarivo Antoine.
Tsara ny mampahafantatra fa izy mirahalahy ireto, efa voahosotra ho tompondakan’i Afrika, lalao ho an’olon-droa miaraka, natao tany Tunisie, ny taona 2023. Ankoatra izay, mipetraka eo amin’ny laharana voalohany i Aruna Quadri, Nizerianina mpilalao. Izy no nandrombaka ny fiadiana ny amboaran’i Afrika tany Rwanda, ny volana mey lasa teo.

Fitia Randria

 

Partager sur: