Hiditra an-tsehatra indray ny Makis de Madagascar, sokajy lehilahy, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2024), taranja rugby lalaovin’olona 7. Iray vondrona amin’i Kenya i Madagasikara.
Hotanterahina atsy amin’ny Nosy Maurice, ny 29 jona ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, lalaovin’ olona 7, sokajy lehilahy. Firenena 12 no hiady ho lohany amin’ity ka anisan’izany ny Makis de Madagascar. Ao amin’ny vondrona A i Madagasikara, miaraka amin’i Kenya sy i Maurice, mpampiantrano, ary i Nigeria.
Azo lazaina fa eo ho eo ihany ity sokajy misy ny Makis ity satria ry zareo Kenyanina ihany no hany mety ho maozatra. Maurice efa niaraha-nahita nandritra ny lalaon’ny Nosy, natao teto Madagasika farany teo, fa tsy atahorana na ao aminy aza ity fifaninanana ity. Mbola zazavao amin’ity fihaonana ity i Nigeria ka mety tsy hahasakana ny Makis.
Manana ny lanjany goavana ity “Can 2024” ity satria hiatrika ny “World Series Challenger”, izay roa voalohany. Mizara dingana roa ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity. Hatao ny 29 sy 30 jona ny dingana voalohany ary 6 sy 7 jolay kosa ny dingana faharoa.
Misy filaharana tsy maintsy tratrarina ao anatin’ireo fihaonana roa ireo.
Raha tsiahivina, faha-6 ny Makis de Madagascar tamin’ny taon-dasa, nandritra ny fifaninanana notanterahina tany Zimbabwe.
Efa vonona ny Makis hiatrika ny fihaonana, izay efa nanoman-tena nandritra ny 2 volana. 23 ireo nantsoina hanaovana fifantenana, raha 15 izy amin’izao fotoana izao. Mbola misy 3 mihintsana ka 12 sisa mandrafitra ny ekipam-pirenena ho atsy Maurice.
Tompondaka
Ireo fitsinjaram-bondrona
Vondrona A : Maurice, Kenya, Madagasikara, Nigeria
Vondrona B : Ouganda, Burkina Faso, Tunisie, Côte d’Ivoire
Vondrona C : Zimbabwe, Zambie, Ghana, Algérie