Tanterahina ny 4, 5, 6 jona 2024, eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT Andavamamba), ny Semaine de la Bande Dessiné . Maro ny hetsika manodidina ny tantara an-tsary ho hita mandritra izany. Anisany ny fampirantiana, ny atrikasa, ny fifaninanana ary ny fihaonana amin’ireo kalaza eo amin’ny sehatry ny tantara an-tsary. Ankoatra ny fampahafantarana ny tontolon’ny tantara an-tsary eto Madagasikara. Tanjona amin’ny hetsika ny fampiroboroboana ity karazana haikanto ity eto Madagasikara.
Ambohipihaonan’ny fianakaviamben’ny mpiangaly tantara an-tsary indray ny eny an-toerana. Anisan’ny hizara ny traikefany sy ny fahaiza-manaony mandritra izany i Rolling Pen, Catmouse ary Riri. Eo ihany koa ny velakevitra iarahana amin’i Pascal Boniface, izay anisan’ny vahinin’ny hetsika. Misy ihany anefa ny atrikasa fanaovana tantara an-tsary mandritra izany. Ny fampirantiana “Pejy maizina” nosoratan’i Riri. Eo ihany koa ny fifaninana “Cosplay manga”.
Lin