LeManana ao amin’ny CGM Analakely. Fampisehoana miavaka izy ity, satria misy lohahevitra hovoizina ao anatin’izany. Eo ny zava-misy amin’izao fotoana eto Madagasikara, ny toeran’ny mozika nentim-paharazana manoloana ny fanatontoloana ary ny filana maika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Hizara ireo mozikany mifanaraka amin’ireo lohahevitra ireo ry LeManana sy ny namany, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.
Jimmy B Zaöto, eny amin’ny Fara West Faravohitra. Mpanakanto maro hatokona, satria sady mihira no mahafehy zavamaneno maro i Jimmy B Zaöto. Hizara ny mozikany, izay tsy misy fetra fa mandalo gadona maro, amin’ireo mpankafy izany izy, anio hariva. Hiaraka aminy an-tsehatra amin’ity anio ity i Tsila eo amin’ny gitara, Mamy Haja eo amin’ny gitara beso ary i Finoana hifandimby aminy eo amin’ny amponga maroanaka.
Malalaka ny sehatra ao amin’ny Alliance française Antsirabe, anio. Ho an’ireo manan-talenta amin’ny slam sy ny poezia izany. Hasaina manokana mba hizara ny sanganasany an-tsehatra, izay liana amin’izany manomboka amin’ny 12 ora sy sasany. Tafiditra hatrany ao anatin’ny fampitiavana sy fampiroboroboana ny literatiora amin’ny ankapobeny, indrindra ny slam manokana izay hironan’ny tanora kokoa izy ity.
Krutambull eny amin’ny Ceasar Grill. Sehatra ho an’ny mozika an-tanàn-dehibe hatrany ny ao amin’ity toeram-pialamboly etsy Soanierana ity. Taorian-dry MBL sy ry Eklyps omaly, anjaran-dry Krutambull indray ny manafana ny sehatra anio manomboka amin’ny 7 ora alina. Hizara ny ragga nahafantarana an-dry zalahy hatramin’izay, miampy ireo hira taty aoriana izy ireo.