Nifanenjehan’ny fokonolona, vaky vava vokatry ny daroka ny lehilahy nangalatra posiposy tao Morafeno, Toamasina, omaly. Roa lahy niaraka naka io fitaovam-pitanterana be mpampiasa ao an-toerana io. Tsikaritry ny manodidina anefa ny fihetsik’ireo roa lahy. Nentin’ny iray nandositra ny posiposy. Tetsy ankilany, nifanenjehan’ny fokonolona ka tratra teo amin’ny toerana tsy lavitra ny nanaovany ny asa ratsiny ny iray. Nodarohin’ireo vatan-dehilahy nahasambotra azy ity farany. Vokany, vaky vava sady nivonto ny tarehiny. Noteren’ireo nahasambotra azy hitoroka ny mpiray tsikombakomba aminy io jiolahy io. Niantso an-telefaonina ka nilaza tamin’ilay namany ho avy hamonjy azy tamin’io fahatrarany io. Miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Tsiahivina, anisan’ny fitaovana lasibatry ny halatra ataon’ireo olon-dratsy ao Toamasina ny posiposy sy ny cyclo-pousse.
Tsiferana R.