Barea de Madagascar: ho tonga anio ireo mpilalao ambiny

Araka ny vaovao nampi­tain’ny solontenan’ny Fede­rasiona malagasin’ny baolina kitra avy any Afrika Atsimo, ho tonga amin’ity alatsinainy ity ny andiany farany amin’ireo mpilalaon’ny Barea, hiatrika ny andro fahatelo sy fahefatra amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mon­dial 2026”. I Loic Lapoussin
sy ireo mpilalao avy atsy La Réunion, sisa ny hany tsy mbola tonga any Johannes­bourg, Afrika Atsimo. Efa nigadona omaly, any an-toerana, i Thomas Fontaine. Tsiahivina fa efa ao anaty fanazaran-tena tanteraka ireo mpilalao hafa tonga mialoha any an-toerana. Nambaran’ny mpanazatra, Rakotondrabe Romuald, fa manana fanantenana ny te­nany amin’ireo mpilalaon’ny Barea nantsoiny. Ao anatin’ny tanjany tanteraka ry zalahy ary samy maneho ny fahaiza-manaony avokoa. Vonona ny handresy ireo mpifanandrina aminy. Raha tsiahivina, hidona amin’i Comores, ny zoma 7 jona amin’ny 7 ora hariva sy i Mali, ny talata 11 jona, amin’ ny 4 ora folakandro, ny Barea. Fihaonana, hatao ao amin’ny kianja FNB Stadium Johan­nesbourg.

Tompondaka

Partager sur: