Basikety – Mada N1A vehivavy: resin’ny GNBC Analamanga ny Ascut Toamasina

Nanomboka ny sabotsy teo, tao amin’ny Kianja mitafo Soavita Toamasina ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny basikety N1A, lehilahy sy vehivavy. Raha ny vokatra teo
amin’ny andro faharoa, natao omaly, nisongadina ny fandresen’ny GNBC Analamanga ny Ascut Toamasina, ho an’ny vehivavy. Resin’izy ireo tamin’ ny isa, 66 no ho 46 ny tompon-jaridaina.
Nitarika hatrany ny tovovavin’ny zandary, tamin’ireo ampaham-potoana efatra nilalaovana. Na izany aza, niady ny 10 mn roa voalohany ary nifanakaiky ny isa teny amin’ ny solaitrabe. 16 no ho 20 teo amin’ny fizaram-potoana voalohany ary 33 no ho 37 ny isa nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Fizaram-potoana fahatelo, nanomboka nitsoaka tsikeli­kely ny GNBC ka lasa 58 no ho 38. Nanantombo teo amin’ ny hafainganam-pandeha amin’ny valim-panafihana ny zandary. Nanary baolina be loatra ihany koa ny Ascut, na teo amin’ny fiarovan-tena na teo amin’ny fanafihana.
Teo amin’ny andro voalohany, nandresy ny Fandrefiala tamin’ny isa 65 no ho 52 ny Ascut. Teo amin’ny fihaonan’ ny lehilahy, ho an’ny omaly ihany, tamin’ny “panier” iray, 65 no ho 63 no nandresen’ny Cosfa ny SBBC Boeny. Lalao nampitsanga-mitoetra hatramin’ny farany, raha ny tati-baovao. Nomontsanin’ny BCB Boeny, 86 no ho 41 ny AS Fa­nalamanga. Hitohy anio ny andro fahatelo. Haharitra ha­tramin’ny alahady 9 jona ho avy izao ity fiadiana ny ho tom­pondakan’i Madagasikara N1A ity.

Tompondaka

Partager sur: