DAKA AN-JORONY: tsy lava tanana hana­katra na avo feo hiantso

Na eo aza ny fiandrasan’ny rehetra ny valim-pifidianana izay ho solombavambahoaka, hifantoka any Afrika Atsimo kosa ny sain’ny besinimaro amin’ity herinandro ity. Afaka dimy andro, hiakatra kianja ny Barea de Madagascar, hiatrika ny andro fahatelo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny «Mondial 2026». Efa any an-toerana ny mpilalalao.
Toy ny rafotsibe very laona kosa ny mpijery, tsy afaka hanohana ny ekipany. Atao ahoana fa tsy lava tanana hanakatra na avo feo hiantso ê! Toy ny vivy nanitrika ity ny tontolon’ny baolina kitra malagasy ka bongo mason’ny nahiny. Raha mba mailo tamin’ny zava-nisy mantsy tsy tonga amin’ izao ny Barea de Madagascar. Mitaveravera sy efa zatra ny antomotra lava ka kenda vao domy aho ranaotra. Na vonton’ alahelo sy feno hatezerana aza, mangina satria tsy lava
tanana hanakatra na avo feo hiantso.
Manomboka izao, tokony hanetry tena ny rehetra, hahay hanakombom-bava. Mety ilay «oera, oera» koa ny maha­tonga ny tompon-baolina hanenjana. Tokony hipitrapitra mampalahelo fa tsy mivandravandra mampatahotra. Na hamindra fo aza ny mpandoa-bary, tsy manome satria «mipoerapoera» loatra. Na olom-bitsy aza ireo mpirehareha ireo, voadona avokoa ny mpitia baolina kitra manerana ny Nosy ka na te hitroatra aza, tsy lava tanana hanakatra na avo feo hiantso.
Afaka volana vitsy ho avy ny fifanintsanana ho an’ny “Can 2025”. Efa manarina ny tsy mety ireo tomponandraikitra. Aleo milamina fa sao dia fanina. Ndao hanao toy ny Railovy mandalo vorombola ê! Na tompon’ny hatsaram-peo aza, manoloana ny hatsaran-tarehy ka miondrika fa ambanin’ny hafa, sady tsy lava tanana hanakatra no tsy avo feo hiantso.

Tompondaka

Partager sur: