Nifarana ny zoma teo ny hetsika “Gitex Africa”, andiany faharoa, izay natao tany Maroc, naharitra telo andro. Nisolo tena ny firenena malagasy ny avy amin’ny sehatra tsy miankina, ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola samihafa ary ny solontenam-panjakana. Voaresaka nandritra ny fihaonambe ny fikarohana ireo fahaiza-manao ara-teknolojia amin’ny sehatry ny fampandrosoana rehetra. Voakasik’izany ny fandraharahana mifototra amin’ny fambolena, ny ara-pahasalamana, ny fitantanana ho tombontsoan’ireo mpandraharaha izay tohanan’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) sy ireo tetikasa apetrany ho laharam-pahamehana. Ao anatin’izay ny fomba hahatongavan’ny sehatra tsy miankina ho mpifaninana eo amin’ny fampandrosoana. Nisy ny fihaonana teo anivon’ny foibem-paritra momba ny fampiasam-bola ao Marrakech, ny talata teo, izay nifampizarana ireo fahaiza-manao ao anatin’izany faritra izany, ho fampiroboroboana ny fandraharahana sy ho fampirisihana ny fampiasam-bola.
Henintsoa H.