Fi.Mpi.Ma – Volan’ny teny malagasy : nomena aina ny fomba, teny, kolontsaina

Ny faran’ny herinandro teo, tafiditra ao anatin’ny fanokafana ny hetsika ho fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Notanterahin’ny Fi­kamba­nan’ ny Mpikabary malagasy ma­neran-tany (Fi.Mpi.Ma maneran-tany), teny amin’ny kian­jan’Ando­halo ilay hetsika lehibe na­mondronan’izy ireo ny fomba sy ny teny ary ny kolontsaina malagasy.
Notsiahivina sy naverina ny kabary notontosain’ny mpan­jaka Ranavalomanjaka, tamin’ny vanim-potoana nitondrany. Nezahina tsy nasiam-panovana ireo « endri-teny » nampiasainy. Notazonina iha­ny koa ny fomba nifandraika mialoha ny hikabarian’ny mpanjaka, sns.
Naseho teny Andohalo ihany koa ny varibemenaka fanaon’ny Malagasy, indrindra eto amin’ny faritr’Imerina rehefa amin’ny fotoam-pamadihana, na nofon-kena mitam-pihavanana amin’ny fotoana hanatanterahina lanonana. Nisongadina kosa ny adin-kiragasy, kolontsaina tsy lefy laza amina kianja lehibe mialoha na mandritra na mamarana ny fomba (fitokanan-trano, famadihandrazana…) iray.
Samy nanehoan’ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany ny hasin’ny teny malagasy avokoa ireo fandaharam-potoana (hiragasy, kabary, varibemenaka) ireo, ny sabotsy teo. Maro ny voambolana malagasy tsy faheno firy ankehitriny, kanefa, mbola afaka ampiasaina tsara. Mila fohazina ireny !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: