Natolotra, ny sabotsy teo, ireo nahazo ny laharana efatra voalohany tamin’ny fifaninanana momba ny sary, andiany faharoa, « Ensemble pour le meilleur avenir ».
Tetsy amin’ny Alliance Française d’Antananarivo Andavamamba no nanatontosana ny hetsika. Nahazo ny laharana voalohany tamin’izany Razafimbohitra Mahasetra David, mipetraka eto Antananarivo. “Nisafidy ny hanao ny sary ho mainty sy fotsy aho satria manintona ny maso kokoa izany noho ny sary miloko”, hoy izy nitantara. Hafatra nampitaina tao anatin’ny sary ny fahaizana mifanampy eo amin’ny rehetra tamin’ny alalan’ny finday. Laharana faharoa Razafindratsimba Lalaina. Laharana fahatelo Rakotomalala Tiavina ary ny laharana fahefatra kosa ny tovovavy, Rabenarivo Salohy. “Mihoatra ny 15/30 ny salanisa azon’ireo nandresy. 25/30 kosa ny isa azon’ny nahazo ny laharana voalohany”, hoy ny mpitsara, Damy Govina. 82 ireo nandray anjara nandritra izany, tamin’ity taona ity, raha toa ka maherin’ny 200 izany tamin’ny taon-dasa. Antony nahatonga izany ny fisafidianana ilay lohahevitra.
Sary miavaka sy mifono hafatra
20 ireo voasafidy sy nahavaly ny fepetra notakina tamin’ny fifaninana ka nampirantiana teny an-toerana. “Anisan’ny fepetra notakina tamin’ny sary ny fialana tamin’ny mahazatra sy ny fahaizan’ny mpaka sary mamorona. Miteny sy misy hafatra ihany koa ao anatin’ny sary”, hoy hatrany ny mpitsara. “Natao ny fifaninana mba hanomezana vahana sy nampisehoan’ireo tanora malagasy ny talentany amin’ny fakana sary eto Madagasikara”, hoy kosa ny lehiben’ny delegasion’ny Vondrona eoropeana eto Madagasikara sy Comores. Hanaovana calendrier sy karazana vakoka ireo sary ireo. Mba hanehoana fa manana talenta ny tanora malagasy.
Mino