Fihariana : ambany ny taham-pamokarana ronono eto Madagasikara

Manodidina ny 7 litatra isan’olona, isan-taona, ny taham-pisotroan’ny Malagasy ronono raha toa fa tafakatra avo sivy heny izany any ivelany. Mbola ambany ihany koa ny famokarana izany eto amintsika

Anisan’ireo firenana 49 mankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ ny ronono i Madagasikara. Nisy ny hetsika nanamarihana izany, ny sabotsy teo, tetsy amin’ ny Parvis Analakely. Mbola ambany ny taham-pamokarana ronono eto Madagasikara, ambany ihany koa ny taha fanjifana sy fihinana ny vokatra. Manodidina ny 7 litatra isan’ olona, isan-taona, ny taham-pisotroan’ny Malagasy ny ronono, raha toa ka 40 litatra isan-taona izany atsy Afrika. Tafakatra hatrany amin’ny 60 litatra isan’olona, isan-taona, kosa izany any Eoropa. Zava-dehibe, araka izany, ny fampiroboroboana ny seha-piha­riana ronono izay tafiditra ao anatin’ny dingana hanatra­rana ny tanjona amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafon’ny Mala­gasy. Antony hanampianan’ny fitondram-panjakana ireo tan­tsaha mpamokatra
sy mpiompy amin’ny fitadia­vana lalam-barotra ho an’ny lalam-piha­riana ronono. In­drindra ha­nampiana azy ireo amin’ny fanodinana ny vokatra azo avy amin’ny ronono tsara kalitao sy manaraka ny fenitra takina.
Antoky ny fampandrosoana

Antoka ho an’ny fampandrosoana ny toekaren’ny tan­tsaha ny fanatsarana ny seha-pihariana. « Mila hampiroboroboina ny famokarana ronono eto amintsika hanenana ny fanafarana avy any ivelany », hoy ny fanazavan’ny filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) ny Malagasy Dairy Board (MDB), Rakotondramonina Solofo­niaina, nandritra ny fankala­zana ny hetsika. Notohizany fa loharanom-bola ho an’ny tan­tsaha ny ronono sady sakafo ara-pahasalamana ho an’ny rehetra. Dingana lehibe ao anatin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny ronono ny fikarakarana ny reny omby, ny fahasala­many sy ny sakafony, ny fandrindrana ny fahaterahany, hatramin’ny fanatsarana ny taranak’omby. Hanatsara hatrany ny vokatra ronono ny MDB (mpikarakara ny hetsika) ho tombontsoan’ny mpamokatra sy ny mpanjifa.

Henintsoa Hani

.

Partager sur: