ONG mampiroborobo ny fanabeazana mifototra amin’ny Stem ny Stem for Good ary manomana ny tanora ahazo sehatra amin’ny fifaninana iraisam-pirenena. Efa misy fikambanana Stem club izay hanamafisana ny fahaiza-manao.
Tanora mpianatra dimy mianadahy avy eto Antananarivo no voasafidy hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena momba ny robotique “First Global Challenge 2024”, araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny ONG Stem for Good. Hotanterahina any Athènes Grèce, ny 26 ka hatramin’ny 29 septambra ho avy izao, ny fifanintsanana, hoy ny fanazavan’ny mpikarakara ny ekipa malagasy. Hiompana amin’ny fanodinana maharitra ny vokatra ho lasa sakafo ny lohahevitry ny fifaninanana. Hitondran’ny tanora mpifaninana vahaolana mifototra amin’ny robotique, hampitomboana ny vokatra sy hitsinjarana ara-drariny izany, ary tokony ao anatin’ny fanajana ny tontolo iainana. Olana sedrain’izao tontolo izao ny tsy fahampian’ny sakafo sy ny faharavan’ny tontolo iainana nefa mifampiankina ka hisarihana ny tanora hitondra vahaolana maharitra. EmrickTojo Emrick Rajomarison, mpianatra ao amin’ny La Ritcheyl School of Madagascar, Androhibe, Sahaza Andrinirariny avy amin’ny lycée Maria Manjaka, Andohalo. Ampian’i Aina Finaritra Manandraibe, mpianatry ny Vision Valley School, Talatamaty sy i Maharisoa Grace Raoloson, avy amin’ny Condorcet – lycee Les Petits Lascars, Sabotsy Namehana ary i Alinoro Maria Ramamonjisoa, mianatra ao amin’ny collège Saint Michel, Amparibe. Ireo no Malagasy mpifaninana. Mpiandraikitra azy ireo kosa Rasoanaivo Hanitrarivo sy Ramarosandy Zosahaza Marline.
Efa vonona ny ekipa malagasy eo am-piandrasana ny fitaovana (robot) hamolavolana ny vahaolana. Sehatra iray ahazoan’ny tanora maneho ny talentany sy ny fahaizany amin’ny siansa, teknolojia, injenera ary matematika (Stem) ny fifaninanana iarahan’izy dimy mianadahy miketrika .
Vonjy