Hisy hetsika hanamarihina ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fiarovana ny fahadiovan’ny sakafo atao eo amin’ny Parvis Analakely, ny zoma ho avy izao, araka ny fanambaran’ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN). Tranoheva maro no handray ny mpitsidika mandritra ny tontolo andro, ahitana fampirantiana ny akora azo atao sakafo miaraka amin’ny torohevitra fampiasana azy hitondra fahasalamana. Hanolotra ny fahaiza-manaony koa ireo mpahay nahandro, hampiseho ny talentany amin’ny vokatra misy rehetra. Ankoatra ireo, ho avy ao ireo manam-pahaizana amin’ny fanjarian-tsakafo sy ny fahadiovan’ny sakafo.
« Aleo miomana amin’ny tranga tsy ampoizina amin’ny fiarovana ny fahadiovan’ny sakafo » ny lohahevitra nosafidina amin’ity taona ity.
Zava-dehibe ny fahadiovan’ny sakafo tsy hitondra aretina na fahafatesana ho an’ny mpanjifa, indrindra ireo marefo toy ny ankizy. Misy ny lalàna ho an’ireo mpikarakara sy mpivarotra hani-masaka mila arahina hitandroana ny fahasalamana.
Vonjy