Kitra – “Telma Coupe 2024”: tafita amin’ny manasa-dalana ny Inate FC Rouge sy ny CFFA

Tontosa, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, “Telma Coupe 2024”. Efa any amin’ny dingana manaraka ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Inate FC Vakinankaratra.

Efa fantatra, ny faran’ny herinandro lasa teo, ireo ekipa roa tafita voalohany amin’ny dingan’ny manasa-dalan’ny fiadiana ny amboa­ran’i Madagasikara, “Telma Coupe 2024”, taranja baolina kitra. Ny ekipan’ny Inate FC Rouge Vakinankaratra sy ny CFFA Andoharanofotsy no nahazo tapakila amin’izany.
Tsiahivina fa lavon’ny Inate FC Rouge, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Uscafoot, ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianjan’Ala­robia, nandritra ny ampahefa-dalan’ity fifanintsanana ity. Baolina tafiditr’i Riana, mpilalaon’i Vakinankaratra, ny minitra faha-101, fanalavam-potoana voalohany no nahazoan’ny Inate FC Rouge ny fandresena. Tsara marihina fa nisaraka ady sahala, 0 no ho 0 ny roa tonta, nandritra ny fe-potoana ara-dalàna.
“Mafy ny miaina lalao tahaka ireny, saingy rehefa nisy ny fanomanana dia nahazo vokatra tsara ihany izahay. Ny taona 2023 ny Inate FC Rouge no nanao Telma Coupe voalohany ary lavo tany amin’ny ampahavalon-dalana. Tamin’ity, faly izahay ! Tafita amin’ny manasa-dalana. Vonona hatrany ny klioba, amin’ izay mpifanandrina ho avy eo”, hoy Rakotondramiara Hasina, filohan’ny klioba Inate FC Rouge.
Tsara ny mampahatsiahy fa izay tafavoaka amin’ny Elgeco Plus sy ny Ajesaia no mifandona amin’izy ireo.
Resin’ny CFFA ny Zanakala FC

Nifarana teo amin’ny ampahefa-dalana ny dian’ny Zanakala FC, amin’ity fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ity. Resin’ny CFFA Andoharanofotsy tamin’ny isa 2 no ho 1 izy ireo, omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By-pass. Baolina tafiditr’i Anito (23 min) sy i Lalaina (69min) no nahatafita ny mpilalaon’ Andoharanofotsy. Azo lazaina, araka izany, fa mahomby ny paikady apetraky ny Coach Heribe, mpanazatra ny CFFA vaovao.
Iray amin’ny Fosa Juniors FC sy ny Disciples FC no hifanandrina amin’izy ireo eo amin’ny manasa-dalana.

Fitia Randria

Partager sur: