Tra-tehaky ny zandary ny talata 28 mey lasa teo, ny jiolahy tompon’antoka tamin’ny vono olona nahatsiravina niseho tao Amboasary Atsimo. Nifampitadiavana nandritra ny enim-bolana izy.
Nataon’ny zandarimaria hazalambo, voasambotra ny 28 mey, tany Sakaraha, ny jiolahy raindahiny tompon’antoka tamin’ny vono olona. Nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana olona miisa roa tao Tanambao, distrikan’ Amboasary Atsimo, ity jiolahy ity, ny 25 janoary lasa teo. Nitsoaka izy taorian’izay ka tsy hita popoka. Namoy ny ainy avokoa ireo roa lahy lasibatry ny habibiana tamin’io fotoana io. Niroso tamin’ny fikarohana ny tompon’antoka ny mpitandro filaminana tao Amboasary. Nahazo angom-baovao ireto farany fa nihaodihaody tao Sakaraha ilay olona karohina. Nanao ny paikady rehetra hisamborana ny nahavanon-doza ny zandary. Vokany, tratra tao Antsoha/ Tanandava, kaominina Miary Lamatihy, distrikan’i Sakaraha io jiolahy fantatra amin’ny solon’anarana hoe Manankery io.
Nitondra basy nanafika
Anisan’ny nanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Sampona, kaominina Amboasary ity jiolahy ity, ny 10 febroary teo, araka ny fitoriana voarain’ny zandarimaria miasa ao Amboasary. Nalain’ireto farany tamin’ny zandarimaria miasa ao Sakaraha io olon-dratsy io ka nentina natao famotorana any amin’ny kaominina namonoany ireo olona miisa roa sy nanaovany ny asa ratsiny. Notanana vonjimaika any am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy izy taorian’ny fanadihadiana lalina.
Tsiferana R.