Politika mampahantra vahoaka

 

Anisan’ny laharam-pahamehan’ny fitondrana amin’izao fe-potoam-piasana izao ny maha olona: fiainam-bahoaka, sosialim-bahoaka. Tena mba tsaroan’ny ain’ny vahoaka ifotony hoe misy fihatsarana ahay ny fiainany andavanandro? Eo amin’ny fandriampahalemana, vidim-piainana, asa ivelomana… Ady amin’ny fahantrana raha ny marina. Ny fahantrana no fototry ny ratsy rehetra? Anton’ireo olana fototra ireo izay, nefa izay koa vao mainka mampihombo sy mampitombo ny fahantrana. Ny ady amin’ny fahantrana izany no laharam-pahamehana, vaindohan-draharaha, tsy azo ihodivirana?
Maharitra ny fahantrana, lalina, mahenika ny maro. Misy milaza fa matoa mbola tsy hita be ihany izay mangirana amin’ny ady, misy fahantrana hafa mila atrehina: ny vina sy tetikasa ve, ohatra, ny enti-miasa na enti-manana, ny fomba fiasa… ? Ekena, misy ny ady amin’ny fahantrana. Saingy saika izay sehatra sy toerana anaovana izany ihany no tena misitraka azy. Rahoviana vao hahahenika ny rehetra, na isan-tsehatra na isam-paritra? Mby amin’ny hoe tsy misy distrika hadino, izay efa lazaina indray hoe tsy misy kaominina hadino. Ao anatin’izany ny sokajin’olona marefo eny ifotony.
Amin’ny fomba ahoana? Ady tsy vita… Tsy mbola nisy niady hoe tokony hanaovana fihaonambem-pirenena ny amin’izany; eny, na hoe isan-tsehatra aza, ohatra. Tsy olana amin’ny mpanao politika loatra? Na fahantran-toerana no tena tsaroan’ny ainy… Nefa samy mampiaka-peo hoe ny fahantrana no fahavalo voalohany sy iombonana. Tsy afa-miady amin’ny fahantrana raha tsy mahazo toerana? Fahantrana hafa koa izay. Ny politika no mampahantra vahoaka sy tsy ahombiazana amin’ny ady amin’ny fahantrana? Na ny fahantrana politika no vao mainka mampahantra vahoaka…

R. Nd.

Partager sur: