Vaky tanteraka ny fitaratra havia an’ny kamiao mpitatitra entana lasibatry ny tora-bato nataon’ireo mpanakan-dalana teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, tao Bekalalao, kaominina Ampasamadinika, distrikan’i Toamasina II, afakomaly. Nirefotra tampoka ny fitaratr’io fiarabe io, tamin’ny 7 ora sy 40 minitra alina. Tora-bato avy any anaty haizina nataon’ny olona tsy fantatra. Niparitraka tao anatin’ny fiara ny vakim-pitaratra. Tsy naratra ny mpamily sy ny mpanampy azy. Ireto farany izay tsy nijanona fa nanohy ny diany nandositra. Nanao fisafoana ny manodidina ny PK 308 hatrany amin’ny PK 315 Ambalatavoahangy, ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana ahafahan’izy ireo misambotra ireo olon-dratsy.
Tsiferana R.