Nosokafana ny sabotsy teo, tao amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely, ny fanokafana ny « Festival jeune public : Zaza mifety » andiany faharoa. Nomena vahana tamin’ity andro voalohany ity ny atrikasa. Anisan’izany ny fanamboarana fehin-tanana na « bracelet » amin’ny hoditra, niarahana tamin’i Lalaina Rakotoarinaivoson. Atrikasa ho fanatevenana ny fahaizan’ny zaza sy ny tanora mampirindra ny fiasan’ny tanana sy ny maso ary ny saina hitadidy.Tao ihany koa ny fampitana ny fomba fanatanterahana ny slam ho an’ny zaza. Fandaharam-potoana nanana endrika tari-dalana.
Hitohy ny alarobia 5 jona izao ny atrikasa ka ilay fomba fanaovana baolina amin’ny alalan’ny fampiasana ireo harona plastika tsy ilaina intsony no hampianarin-dry zareo avy ao amin’ny Kolo Kitra amin’izany. Atrikasa momba ny zavamaniry be rano sy ny manan-tsilo kosa no hotanterahin’ny ankizy sy ny tanora miaraka amin’ny Imalo Miakanjo, ny tolakandro.
Fantatra fa ny 8 jona izao vao hifarana ity andiany faharoa amin’ny « Zaza mifety » ity.
HaRy Razafindrakoto