64 taona ny Fahaleovantena: hiavaka ny fankalazana amin’ity taona ity

« Madagasikara Mandroso, Malagasy miara-mientana amin’ny fitiavan-tanindrazana”. Io no teny filamatra amin’izao fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantena hankalazaina tsy ho ela izao, araka ny fanazavan’ireo komity mpanomana sy mpikarakara.

Nampahafantarina oma­ly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny teny filamatra amin’izao fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovan­tenan’i Madagasikara izao. «Madagasikara Mandroso, Malagasy miara-mientana amin’ny fitiavan-tanindrazana”. Nampahafantatra izany tamin’ny fomba ofisialy ireo komity mpanomana sy mpikarakara ny lanonana. Komity nitarika izao fampahafantarana izao ny Jly Rakotondra­mana Jimmy Clark, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny avy, toy ny eo anivon’ny fiadidiana ny Re­poblika. Nambaran’ireo komity hatrany fa hanomboka ny zoma 7 jona 2024 ho avy izao ny fanombohana ny hetsika, amin’ny alalan’ny fampiakaran-tsaina hotarihin’ny Prai­minisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, eo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna Analakely manomboka amin’ny 10 ora. Hisy koa ny fampirantiana hataon’ireo Hery sy fiarovana ary filaminana mom­ba ny tantaran’ny Foloalin­dahy. Ny 10 jona 2024, hisy ny hazakazaka ara-pirahalahiana miainga eo amin’ny tranombokim-pirenena Anosy ka hifarana eny amin’ny kianja Barea Mahamasina. Anasana ny vahoaka malagasy iray manontolo izany rehetra iza­ny, araka ny nambaran’ny komity hatrany.

Entanina ny olona tsirairay avy…
Hitohy amin’ny lalao ara-pirahalahiana indray izany ny tolakandro, eny amin’ny kianja Stadium MDN Betongolo. Ny 18 jona 2024 kerimesy lehibe hataon’ny Hery fiarovana sy filaminana eny Betongolo ihany. Hitohy ny sabotsy 22 jona izany, amin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana eny amin’ny fiangonana advantista Soamanandrariny, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Ny alahady 23 jona 2024, seho ara-pilazantsara eny amin’ny kianja Barea Maha­masina. Ny 24 jona 2024, famerenana ny matso hataon’ny Foloalindahy izay ahitana mpandray anjara mandeha an-tongotra sy mandeha fiarakodia ary ireo mandeha fiaramanidina. Ny 25 jona 2024, afomanga lehibe eny amin’ny farihin’Anosy. Ny 26 jona 2024, matso lehibe ny maraina, raha fampisehoana goavana kosa ny tolakandro, eo amin’ny kianja Barea Ma­hamasina hatrany. Nanentana ny olona tsirairay avy, araka izany, ny komity haneho firaisankina amin’izao fety lehibe izao.

J.C

Partager sur: