Aleo halan’andriana

 

Misy kisarisary hafahafa, toa mampidonaka, ilay resaka voka-pifidianana. Sanatrian’ny vava, mijabaka amin’ny asan’ny sasany. Tsy hiseho mahay alohan’ny tompony. Amin’ny maha mpisintona lalokosy anefa,  mahatsapa ho manana adidy amin’ny fizarana ny ahiahy tsy hihavanana.
Iarahan’ny rehetra mahita ny fivoaran’ny fikirakirana ny vaovao. Efa mivoaka tsikelikely ny fitsimbadibadihan’ny isa azon’ny kandidà. Misy ny manomboka mampiaka-peo amin’ny tsy fitovian’ny soratr’isa. Tsy manafina ny ahiahiny ny kandidà isanisany, na mpanohana na mpanohitra. Hany ka ilay vaomiera no mampametra-panontaniana hoe mahaleo tena marina ve sa tsia?
Ny  kandidà nilatsaka amin’ny anarany manokana no mahazo aina ny ankamaroany. Sady mamim-bahoaka no notsikian’ny vintana. Porofo sy taratra fa tofoka amin’ny mpanao politika ilay vahoaka malagasy. Aleony misafidy ny olona akaiky azy kokoa. Niaraha-nahita rahateo fa na samy mpanohana fitondrana aza, niady an-trano tamin’ny fakana ny fahazoan-dalana nomen’ny Filohan’ny Repoblika ho kandidàn’ny Irmar. Toraka izany ireto mpanohitra, nisy ny Firaisankina sy Kolektifa. Efa tsy ambakaina ny Gasy.
Aleo halan’andriana toy izay halam-bahoaka, hoy ny fitenenana. Asa, hanao akory ny ho fiafaran’ity vokatra vonjy maika izay hivoaka manodidina ny fahafolon’ny volana jona izao ity? Eto no tena ahitana taratra ny maha matihanina ny Ceni, tsy ho voarebirebin’ny adin-tserasera sy izay karazana tsindry mety hisy avy amin’izay manampahefana hanao izany.
Toraka izany ireto kandidà mba samy tokony hijery ny etika politika fa tsy ho faly hanodinkodina ny resaka ho amin’ny tombontsoany manokana. Ain-dehiben’ny firenena rahateo ny fifidianana solombavambahoaka, hitarafana ny fifandanjan-kery sy ny tena fitiavan-tanindrazana manoloana ny fitiavan-tseza.

r.r

Partager sur: