Nohazonina eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny faran’ny herinandro teo, ireo efa-dahy mpamaky trano voasambotry ny zandary. Nangalatra moto teny Ambohimahitsy izy efatra mirahalahy ireo, ny 29 febroary teo. Nanohy ny asa ratsiny hatrany ireto olon-dratsy ireto ka namaky trano teny amin’ny manodidina ny kaominina Ambohimangakely. Voamarin’ny zandary tamin’ny alalan’ny loharanom-baovao fa mpanendaka eny Ankadindramamy sy Nanisana hatrany Ampasampito ry zalahy ireo. Nanao fisafoana amin’ny alina ny zandary kinanjo nifanehatra tamin’ireto farany. Voasambotra avokoa izy efatra mirahalahy, ny 19 mey . Natolotra ny fampanoavana taorian’ny fanadihadiana.
Tsiferana R.