Hiatrika CEPE andrana faharoa, anio tontolo andro, ny mpianatra amin’ny kilasy T5 ao anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra sy eny amin’ny Cisco Avaradrano. Ho an’ny sekolim-panjakana sasany, efa nanao andrana roa na telo izy ireo mialoha ny tena andrana voalohany nokarakarain’ny fanjakana, ny 14 mey farany teo. Eo ho eo ihany ho an’ny sasany satria 30% ka hatramin’ny 50% ny taham-pahafahana, nisy kosa no nahazo vokatra tsara, 89% avy hatrany ny taham-pahafahana. Efa tsara fiomanana ny mpiadina ka heverina fa ho tsara kokoa noho ny andrana voalohany ny vokatra ho an’ny anio. Matetika ny taranja Kajy, Frantsay ary Jeografia hatrany no manahirana ny ankizy mpiadina. Nanana fotoana nanarenana ny lesoka ny mpanabe nandritra ny fizarana marobe natao.
Samy manana ny lamina napetraka ny tsirairay, fa fomba fanao ny mifindra toerana mahazatra rehefa hanatanteraka fanadinana andrana toy izao mba hizarana sahady. Marihina fa hotontosaina ny 18 jona ho avy izao ny CEPE manerana ny Nosy.
Vonjy