Fifidianana depiote : tsy mbola misy minisitra lany na tsy lany izany

Niteraka resabe na iniana hanaovana resabe ny mahakasika ireo kandidà solombavambahoaka ka efa nitazona ny toeran’ny minisitra. Mitovy amin’ny kandidà rehetra izy ireny, miandry ny voka-pifidianana. Misy ny tsara toerana toa ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ao Fianarantsoa, Sahondrarimalala Marie Michelle. Toraka izany ny minisitry ny Mponina any Ambositra, Fomendraza. Ity farany izay mitazona ny laharana faharoa ao an-toerana, aorian’i Liva Rason, kandidà tsy miankina.
Nilaza ny komity mpanohana ny kandidà Irmar ao Ambositra fa mafimafy ny ady noho ny mpifaninana izay manana ny tanjany sy ny maha izy azy avokoa. Nametraka ny fitokisany tamin’ny vahoaka kosa anefa ny kandidà ka nisy ny fitia mifamaly. Marina fa nahazo vato 25,70 % ny kandidà Fomendraza Haingo Elisette, raha 29, 50% ny an’ny kandidà Liva Rason.
Tsiahivina fa mbola mitarika ny fahazoana ny maro anisa eny Tsimbazaza ny Vovonana Irmar, manaraka ny mahaleo tena, ary fahatelo ny vovonana Firaisankina. Manaporofo ny fifandanjan-kery ny vokatra vonjy maika mivoaka ankehitriny.

Randria

Partager sur: