Misaona ny tontolon’ny handball malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana, omaly, i Tsaradia Célestin, sady mpanazatra no nanangana ary filohan’ny klioba HBCA Analamanga. Nitarika ny fahafatesany ny aretina nahazo azy fotoana naharitra. Olona tena niaina sy nandany ny androny tao anatin’ny fanatanjahantena, indrindra ny taranja handball, Itompokolahy.
Efa nanazatra ny ekipan’ny ASC Aro sy ny Jirama vehivavy izay nandrombaka ny tompondakan’i Madagasikara, tamin’ny taona 1992. Noho ny fahaizany, efa nitondra ny ekipam-pirenena Senior, vehivavy, sy ny sokajy zandriny, Itompokolahy. Ankoatra ny maha mpanazatra azy eo amin’ny taranja handball, mpampianatra fanatanjahantena tao amin’ny LTC Ampefiloha izy. Namela mananontena sy kamboty telo miandahy i Tsaradia Célestin. Handrasana ao amin’ny tranony ao Ambodin’Isotry ny nofo mangatsiakany, mialoha ny hitondrana azy any Toliara, toerana hanaovana ny fandevenana. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny tontolon’ny handball ny gazety Taratra.
Tompondaka