INDRAY MIJERY

750 Ar ka hatramin’ny 800 Ar izao ny vidin’ny atody akoho iray eny amin’ny mpaninjara. Tao anatin’ny herinandro no niakarany, hoy ny mpivarotra, ary mety mbola hitohy izany fiakarana izany satria akora be mpanjifa isan’andro ny atody.

Nisy ny fifampizarana niarahana tamin’ny Ergothérapeute, Rakotoarisoa Elinah, ny faran’ny herinandro teo, teny Mahamasina. Ny Ergothérapie dia fomba fitsaboana sy fandraisana an-tanana ny olona manana fahasembanana iray mba hahatonga azy
hahaleo tena. Maro ny ray aman-dreny tonga nanatrika ny fifampizarana niaraka tamin’ity manampahaizana
ity.

Namoaka mpianatra miisa 462, nahazo ny diploma Licence, misalotra ny anarana Ilo ny sampam-pampianarana “Informatique, Management, Rélations Publi­ques et Multimédia”, sekoly ambony EMIT Fianarantsoa. Mbola ao anatin’ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny sekoly hatrany ny lanonana.

Ho fanohanana ireo mpiasan’ny fahasalamana manao ny asa fitsaboana sy fiarovana ny vahoaka amin’ny aretina eny ifotony ka mandeha kilometatra maro, nisitraka Moto Honda XL-125 miisa 13 ny CSB ao anatin’ny distrikan’i Sakaraha. Faritra Atsimo Andrefana. Fampi­taovana hanatonana kokoa ny vahoaka sy hanolorana fahasalamana manakaiky azy ireo no antony.

Partager sur: