Maty teny an-dalana hamonjy hopitaly ny mpamilin’ilay fiara P.206 niharan-doza teny amin’ny sampanana « Paon d’Or » Ivato, omaly maraina. Tovolahy iray hafa kosa naratra mafy. Nieren-doza ny tovolahy iray nanao «auto-stop » niaraka tamin’izy roa lahy, saingy tsy hita rehefa nitranga ny loza…
Nitrangana lozam-piarakodia namoizana ain’olona indray teny Ivato, omaly tamin’ny 2 ora sy 30 mn maraina. Fiara P.206 iray no nivadika teo amin’ny sampanana « Paon d’Or » Ivato tamin’io fotoana io. Vokany, olona iray maty tsy tra-drano, raha iray hafa kosa naratra mafy. Handeha hody any Ivato ireo olona tao anaty fiara kanjo izao niharan-doza izao. Raha ny fanazavan’ilay tovolahy iray naratra, araka ny tatitra nampitain’ny zandary nanao ny fanadihadiana teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza, vokatry ny fandehanana mafy nataon’ny mpamily io fiara io no nahatonga ny loza. Nandeha mafy izy teo am-pisongonana moto iray teo alohany ka tsy voafehiny intsony ny familiana. Noho izany, nivadibadika nivoaka ny lalana ilay fiara. Fantatra tao anatin’ ny famotoran’ny zandary hatrany fa olona telo izy ireo no tao anatin’ity P.206 ity. Nanao «auto stop » tamin’ireo olona roa lahy tao anatin’io fiara io ny lehilahy iray hafa teo Talatamaty ka noraisin’izy ireo.
Potipotika tanteraka ny fiara…
Voalaza anefa fa tsy naninona io lehilahy io saingy tsy hita ny nanjavonany rehefa niseho ny loza. Ireo roa lahy niharam-boina ihany koa no tao anaty fiara. « Nivadibadika ambony ambany mihitsy ity fiara kely ity tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Nirimorimo nandeha mafy mialoha io fivadibadihany io », araka ny fanazavan’ny mpiambina ny toeram-pivarotana iray nahita ny fitrangan’ny loza teny an-toerana. Nosokirina tao anaty korotam-bin’ny fiara ireo niharam-boina. Nalefa haingana namonjy hopitaly izy ireo saingy namoy ny ainy teny an-dalana, noho ny ratra mafy nahazo azy, ny tovolahy 24 taona, mpamilin’ny fiara. Ilay namany iray kosa mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ity lozam-piarakodia ity. Potipotika tanteraka tsy nisy noraisina ilay fiara.
J.C