Karate – Fifaninanana Afrika Atsinanana : ho avy anio i Comores sy i Maurice ary i Djibouti

Handray ny fifanintsanan’i Afrika Atsinanana, amin’ny taranja karate-do i Madagasikara, amin’ity volana jona ity. Ho avy eto an-toerena avokoa ireo mpandray anjara amin’izany manomboka anio sy rahampitso.

Hotanterahina eto Mada­gasikara, ny 6 – 9 jona ho avy io, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, tapany atsinanana, taranja karate. Araka ny vaovao voaray avy eo anivon’ny Fede­rasiona malagasin’ny taranja Karate-do (FKM), omaly, ho tonga anio ireo delegasiona avy amin’ny nosy rahavavy, i Maurice, i Comores ary i Djibouti.
Ho avy amin’io fotoana io ihany koa ireo mpitsara iraisam-pirenena sy ilay maraokanina, Zetouni, filohan’ny kaomisiona mpitsara eo anivon’ny Federasiona iraisam-pirenena (WKF), ary i Papa Ismailia Ba, lehiben’ny kaomisionina misahana ny teknika ao amin’ny WKF. Rahampitso kosa vao ho tonga eto Madagasikara i Bechir Cherif, filoha lefitry ny WKF, sy i Souleymane Gaye, lehiben’ny Federasiona afrikanina (UFAK).
Tsara ny mampahatsiahy fa hotontosaina eto an-dRenivohitr’i Madagasikara, ny 7 jona ho avy izao, amin’ny 5 ora hariva ny fivoriambe ara-potoana (AG), an’ireo aty amin’ny faritra Afrika Atsinanana.

Atleta 39 no hiaro ny voninahi-pirenena
Miisa 39 mianadahy ireo Malagasy atleta hiaro ny voninahitr’i Madagasikara, amin’ity fifanintsanana afrikanina, tapany atsinanana, natokana ho an’ireo sokajy Cadet sy Junior ary Senior ity. Araka ny efa nambaran-dRatefina­na­hary Emile, filohan’ny FKM, ny sabotsy 25 mey lasa teo, teny Antaninarenina, hiezaka hanome ny tsara indrindra avy aminy izy ireo ary tanjona ny tsy hamoaka ireo medaly volamena eto Madagasikara.
Ampahatsiahivina fa zava-dehibe ity lalao afrikanina iray ity, araka ny fanazavan’ny filohan’ny FKM hatrany, satria misy ny isa azon’ny karateka izay hametraka ny filaharan’ izy ireo aty Afrika.

Fitia Randria

Partager sur: