Ladoany: Ampiasaina ny E-Tariff Tool

Mampihatra ny fandoavan-ketra amin’ny internet ny fitantanana foibe ny fadintseranana, amin’ny alalan’ny E-Tariff Tool. Manohana ny fanatanterahana azy ny Fikambanana iraisam-pirenena mahakasika ny ladoany (OMD). Azo ampiasain’ny besinimaro ity fitaovana ity, mamaritra ny saran’ny haban-tseranana tokony haloany, amin’ny fomba haingana sy mahomby. Nomen’ny OMD alalana ny fametrahana azy eto Madagasikara ny kabinetra afrikanina tatsimo, Global Trade Solutions (GTS).
Adiresy tranokala ahitana ny E-Tariff Tool ny « etariff. douanes.gov.mg » ao amin’ny ladoany malagasy. Hita ao daholo ny antsipiriany amin’ny saran’ny haban-tseranana. Misy amin’ny teny frantsay sy anglisy. Azo jerena ao koa ny antontan-taratasy rehetra mifandraika amin’ny vola ampi­ha­rina amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, ny fitsipika amin’ny haba ampiharina ary antontam-baovao maro sami­hafa.

Njaka A.

Partager sur: