Tafiditra tanteraka amin’ny vanim-potoana mahabetsaka mpizahatany isika izao. Vonona hanome tanana ny kaompania Madagascar Airlines ny kaompania Cem’Air amin’ny sidina anatiny ataony. Hiara-hiasa sy hampanofa ny fiaramanidina Q400 ho an’i Madagascar Airlines, nanomboka ny faran’ny herinandro teo ka hatramin’ny volana jolay, ity kaompania Afrikanina tatsimo ity. Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny drafi-panarenana “Phénix 2030”. Tanjona ny hanamorana sy hanampiana ny fitaterana ireo mpandeha mandritra ireo vanim-potoana ireo.
Manana seza 72 isa, hanomezana fahafaham-po sy hamaliana ny filan’ny mpanjifa ary hanamorana ny fitaterana ny Q400. Noho izany, naneho ny fahavononany ny kaompania Madagascar Airlines amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany sy hampifandraisana ireo faritra samihafa manerana ny Nosy. Tsy mijanona eo fa mbola hitohy ny ezaka amin’ny fanatsarana ny fitaterana ana habakabaka ho an’ny fanarenana ity kaompania ity.
Henintsoa H.