“Tsy manaiky izany fanakorontanana izany ny fitondram-panjakana”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, taorian’ny fianianan’ny mpikambana vaovao eo anivon’ny Fitsarana avo (HCJ), teny Anosy, omaly, raha nanontanin’ny mpanao gazety ny amin’ny fisian’ny fanoherana voka-pifidianana niafara tamin’ ny fandoroana ny biraon’ny Sampana mpanisa vato (SRMV) amin’ny distrika vitsivitsy. Fanjakana tan-dalàna i Madagasikara. Misy ny rafi-pitsarana misahana ny olana momba ny raharaham-pifidianana, ary tokony hanaja an’izay ny rehetra. Nifidy ary nisafidy izay ho solombavambahoaka manerana an’i Madagasikara ny vahoaka malagasy, tamin’ny 29 mey. Vita izany ny fifidianana. Efa mipetraka ny lamina na eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena momba ny fifidianana (Ceni) na eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Tokony hiandry amim-pitoniana sy filaminana ny rehetra.
Ny fitakiana raha misy zavatra tokony hatao momba ny fifidianana: mazava ny tokony hatao ary tokony hatoky ny rafitra hitsara izay olana mety hiseho ny tsirairay. Izay no maha fanjakana tan-dalàna an’i Madagasikara. Tsy azo ekena ny fanakorontanana ny firenena. Toy ny zava-niseho tany amin’ny faritra Atsimo sy tamin’ny birao fanisam-bato (SRMV) vitsivitsy. Efa milamina ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao. Ankatoky ny fankalazana ny fiverenan’ny Fahaleovantena ny Malagasy amin’izao. Izay nanaovany antso avo ny mba hiatrehana izany amim-pitoniana.
R. Nd.