Run – Round II : nanao pao-droa Ratsivahiny Brayan

Tontosa teny amin’ny “piste” Arivonimamo, ny alahady lasa teo, ny dingana faharoa amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja Run. Fifani­nanana nokarakarain’ny klioba Ama. Nisongadina ny zava-bitan-dRatsivahiny Brayan, nitondra ny fiara Peugeot 205. Nanao pao-droa ny tovolahy izay tompondaka teo amin’ny SR2 sy ny sokajy zandriny. Ankoatra izay, nahavita nanatsara ny fe-potoana ihany koa izy nandritra ny «passage» roa tamin’ireo enina tsy maintsy natao, tamin’ny halavirana 400 m. Tonto­sany tao anatin’ ny 12,90 s ny fahefatra ary 12,87 s ny fahadimy.
Niatrika ny famaranana teo amin’ny Superrun i Brayan saingy nanana olana ara-teknika ny fiarany ka tsy nahatontosa izany, fa nijanona ho faharoa. Nandrombaka ny fandresena tamin’io i Kev’s, nahavita izany tao anatin’ny 14,218 s. Fahenina izy teo amin’ny filaharana ankapobeny, nahavita izany tao anatin’ny 13,189 s. Raha ity vokatra azon’i Brayan ity, efa tafiditra ao anatin’ireo mpanamory mifaninana amin’ny sokajy mafy izy.
Norombahin-dRasolo­jaona Tahiana (Jay Tax), nitondra ny fiara BM JZXDrive ny Super finale. Nahazo ny fe-potoana tsara indrindra kosa i Bobo, nahavita 9,10 s. .
Dingana fahatelo, ny hatao amin’ny 7 jolay ho avy izao, izay karakarain’ny RunMada.

Torcelin

Partager sur: