Taorian’ny fahombiazan’ireo hetsika roa voalohany, « Salon international des acteurs économiques » (SIAE), hivelatra kokoa amin’ny fampihaonana ireo mpandraharaha ny hetsika andiany fahatelo izay hanomboka ny alarobia izao, eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka.
Hiavaka tanteraka ny ranty iraisam-pirenena momba ireo mpisehatra ara-toekarena (SIAE) amin’ity andiany fahatelo ity. Hivelatra kokoa amin’ny fampihaonana ireo mpandraharaha (rencontre B to B) ity hetsika karakarain’ny Riano Agency ity, noho izy manampy amin’ny fifanakalozana. « Nomena vahana ny B to B mba hifampizaran’ireo mpandraharaha ny tombontsoa sy ny traikefa azony », hoy ny tale mpanatanteraka (CEO) ny Riano Agency, Nathalie Nirinarivelo, omaly, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika tetsy Andraharo. Raha ny nahafantarana ny SIAE tamin’ny andiany roa voalohany dia nirona kokoa tamin’ny varotra fampirantiana sy B to B. Be mpangataka sy be mpandray anjara anefa ny B to B amin’ny maha sehatra iseraseran’ireo mpandraharaha mivantana amin’ny samy mpandraharaha ary koa amin’ny fanjakana. Tanjona ny hampiroboroboana ny Vita Malagasy. Ankoatra izay, homena vahana manokana ny tanora, hanampiana azy ireo hitady asa. Hisy ny « espace recrutement » mandritra ny efatr’andro hanaovana ny ranty iraisam-pirenena, ny 5 ka hatramin’ny 8 jona ho avy izao. Fotoana iray ahafahan’ny tanora hisitraka tolotr’ asa na koa fahalalana bebe kokoa momba ny sehatra iray tiany hifotorana ary fanampi-pahalalana amin’ny tontolon’ny asa ny hetsika toy izao.
Fiaraha-miasa
Fotoana iray hahazoan’ny tsirairay tombontsoa maro samihafa ny SIAE. Asaina manokana mandritra ny andiany fahatelo, ny Nosy Mayotte. Ity farany izay mitady fiaraha-miasa amin’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fambolena ary anisan’ireo mpanafatra vokatra avy eto amintsika. Tanjona, mandritra izany, ny hampiroboroboana ny fiaraha-miasan’ireo mpandraharaha avy any ivelany sy eto an-toerana sy ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Ankilany, maro ihany koa ny kaoperativa misahana ny sehatry ny fambolena (agribusiness) avy any amin’ny faritra handray anjara amin’ny hetsika. Samy hitondra sy hampahafantatra ny seha-pihariany ireo mpandraharaha manodidina ny 90 isa mandritra ny hefarana.
Henintsoa Hani