Efa nanomboka ny faran’ny herinandro teo, tany Toamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Basikety, « N1A Zone Est ». Mitarika eo amin’ny laharana voalohany ny ekipan’ny zandary, GNBC Analamanga, ho an’ny vehivavy. Raha ny COSPN Analamanga kosa ny an’ny lehilahy.
Nigadona omaly, any Johannesburg, i Loic Lapoussin, Malagasy mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Tsiahivina fa ny 7 jona ho avy izao i Madagasikara no hifanandrina amin’i Comores, lalao izay tafiditra amin’ny ady tapakila hiatrehina ny « Mondial 2026 », izay hatao any Meksika sy Etazonia.
Hotontosaina anio, ny lalao ampahefa-dalana, fiadiana ny ho tompondaka amin’ny fifanintsanana « Roland Garros », taranja tenisy. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’i Tsitsipas sy i Alcaraz ary i Sinner sy i Dimitrov. Tsiahivina fa hifarana ny 9 jona ho avy izao ity Grand Chelem iray ity.
Voahosotra ho mpilalao mendrika nandritra ny fifaninanana Eoropeanina « Ligue des Champions 2024 », taranja baolina kitra, i Vinicus Junior, brezilianina lohalaharan’ny Real Madrid. Tsiahivina fa izy no nahatafiditra ny baolina faharoa, nahazoan’ny Real ny amboaraben’ ny LDC, ny sabotsy lasa teo.