I Toky no mpihira vaovaon’ny tarika Mage 4. Sahirana tokoa tamin’ny fisafidianana izay handimby an’i Ken ireo mpikambana. Na dia samy manan-talenta avokoa aza ireo mpifaninana, nironan’ny safidy i Toky, izay zandrin’i Anthony Pazzapa. Tsy vaovao aminy ny hiran’ny Mage 4 sy ny gadona rock. Manana feo miavaka ihany koa izy, ary anisan’ireo efa nitsodrano azy hanohy ny dia miaraka amin’ny tarika i Ken.
Hatramin’izao, tsy mbola omen’ny Malagasy lanja ny tantara. Ny efa fantany aza, navadiny ho toy ny tsy nisy. Misy antony, ohatra, ny nanaovana ny tsena fahiny. Ankehitriny, tsy ilain’ny Malagasy intsony ve ny tsena, satria, efa misy ny tsena maoderina anaty trano? Tsy mahagaga raha very ny fifamatorana eo amin’ny fiarahamonina malagasy, noho io tsy fifankahalalana io.
Hanamarihana ny faha-30 taonan’ny Zanabaliha, hiverina hisokatra avokoa ireo sampana rehetra nisy teo aloha. Anisan’izany ny kabary, ny dihy malagasy, ny soratra ary ny fampianarana zavamaneno malagasy. Tsy hijanona eny Antananarivo Atsimondrano intsony irery ihany koa ny fivelarana fa hitohy aty an-drenivohitra.
Misokatra ho an’ny mpiangaly sarimihetsika ny fandraisana horonantsary hifaninana mandritra ny “Ant’sary doc mada: Festival international de Cinéma documentaire”. Hetsika lehibe izay tanterahina ny 19 hatramin’ny 26 septambra 2024, eto Antananarivo. Nisokatra omaly hatramin’ny 4 aogositra 2024 ny fandraisana ireo maniry ny handray anjara amin’izany.