Tetikasa goavana. Tafiditra tao anatin’ny lahadinika nandritra ny hetsika « Gitex Africa 2024 », natao tany Maroc, ny faran’ny herinandro teo, ny fananganana ny ivontoerana iraisam-pirenena momba ny Intelligence artificielle (IA), eto Madagasikara. Nisy ny fifanaovan-tsonia hanadihadiana ny fanatanterahana ny tetikasa.
Hahafahan’i Madagasikara miditra eo amin’ny tsenan’ny teknolojia ity fifanarahana ity. Anisan’ireo miara-misalahy amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ny Datum Consulting, ny ArkeUp Group ary koa ny sekoly Estia. Dingana lehibe ho an’ny firenena sy aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny fanatanterahana izany. « Mifanaraka tsara amin’ny vina momba ny toekarena niomerika matanjaka sy mametraka ny firenena malagasy ho mpisehatra ifotony aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny IA », hoy ny minisitry ny Fifandraisan-davitra, ny paositra sy haitao ara-kajy mirindra, Razafindramalo Tahina. Notohizany fa hitondra vokatsoa eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy hampanara-penitra ny tontolon’ny asa ary ny fampiroboroboana ny toekarena eto Madagasikara izany.
Henintsoa H.