Antoka ho an’ny fampandrosoana ny toekarena ny taninketsa indostrialy. Vonona hiara-hiasa amin’ny firenena malagasy ny masoivoho Alemaina amin’ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony. Voasoritra nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny varotra sy ny fanjifana (MIC) sy ny masoivoho alemà, Michael Häusler, omaly, tetsy Ambohidahy, ny momba ny paikady hanatanterahina ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Hojerena ny momba ny mpiara-miombon’ antoka, hanafainganana ny asa ara-indostria, hanapariahana ny ozinina ODOF manerana ny distrika sy ny kaominina eto Madagasikara. Paikady entina hiarovana ny vokatry ny tantsaha sy ny famokarana eny ifotony rahateo ny tetikasa ODOF.
« Fanoitra iray tsy azo ihodivirana ny fiaingan’ny fandraharahana eny ifotony, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny tantsaha mpamboly. Antoky ny fampandrosoana manakaiky ny mponina ny fanodinana ny vokatry ny tantsaha sy ny famokarana eo an-toerana ihany», hoy ny minisitra tamin’ny Ambasadaoro.
Fandraharahana
Hanamafy orina ny fifandraisan’ny firenena roa tonta ny fiaraha-miasa toy izao. Naneho ny fahavononany hampandroso ny indostria sy ny fandraharahana, amin’alalan’ny fampiasam-bola eto Madagasikara, ity diplomaty ity. Hifanampy, araka izany, ny MIC sy ny masoivoho alemà amin’ny fijerena mpiara-miombon’ antoka na koa orinasa alemà mpampiasa vola hampiroboroboana ny taninketsa indostrialy. Nilaza ny masoivohon’i Alemaina fa ho tonga eto Madagasikara, ny volana oktobra sy novambra, ireo orinasa misehatra amin’ny angovo azo havaozina sy ny harena an-kibon’ny tany ireo.
Henintsoa H.