Toeram-pandraisana mpifindra monina: teknisianina miisa 40 niofana momba ny fitantanana

Fakan-tahaka ho an’ny firenena maro i Madagasikara amin’ny fifehezana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza satria andalovan’ny rivodoza matetika sy itrangana haintany lavareny. Nohamafisina ny fahaiza-manaon’ny ekipa teknika.

Nifarana ny herinandro lasa teo ny fanofanana amin’ny fandrindrana sy fitantanana ny toeram-pandraisana ireo traboina na mpifindra monina. Nandritra ny 10 andro ny fiofanana ary nandray anjara ny mpiasa maro eo anivon’ny BNGRC. Ny fisian’ny loza sy ny tandindon-doza mety hanimba ny fonenany sy ny tontolo manodidina azy noho ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro no mahatonga ny fisian’ny olona mifindra monina eto amintsika. Ilaina fahaiza-manao ny fitantanana ny toerana ahafahana mandray azy ireo na anatin’ny fotoana fohy aza no handalovany.
Ny Organisation internationale pour les migrations (OIM) no tompon’antoka tamin’ny fiofanana fa ny Japoney no namatsy vola. Manam-pahaizana iraisam-pirenena mom­ba ny fifindra-monina no mampiofana. Votoatin’ny fitantanana ny toeram-pandraisana amin’ny fotoan-tsarotra ho an’ ireo mpifindra monina noho ny antony tsy miankina aminy, io no nibahana nandritra ny fiofanana.
« Zava-dehibe ny fananana olona mahafehy ny toeram-pandraisana ireo mpifindra monina, hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny OIM », ka izay no nanomezana tohana ho an’i Madaga­sikara. Fanatsarana sy fanampiana ny traikefan’ny mpiasa amin’ny fifehezany ny asa ataony kosa ho an’ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza.
Miisa 40 ireo mpiofana ka ankoatra ny ekipan’ny BNGRC, nanana solontena koa ireo manana andraikitra amin’ny fitantanana ny loza sy tandindon-doza eto amintsika, toy ny Croix Rouge, ny Tafika malagasy ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Nanotrona ny fizarana ny taratasy fanamarinana ny fisitrahana fiofanana ny mpandrindra ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo anivon’ny masoivoho japoney, Abe Yoshino.

Vonjy

Partager sur: